Fampandrosoana: Mifanindry an-dalana ny fanitarana ny seranan-tsambo sy ny Volobe II

Mazava ny paikadin’ny fitondrana foibe amin’ ireo ireo fotondrafitrasa maro atao eto amintsika. Teti­ka­sa iarahana amin’ ny mpiara-miombon’ antoka vahiny samihafa.

Anisan’ny tetikasa goavana indrindra aty Afrika na koa ato anatin’ny ranomasibe Indianina ny fanitarana ny seranantsambon’ i Toamasina, vatsian’ny firenena Japoney  «Jica» (Japan In­ternational Cooperation Agen­cy), mitentina 639 tapitrisa dolara, ka trosa nohalefahana ny 315 tapitrisa dolara. Eo koa ny tetikasa fanarenana haingana sy maika ireo fotodrafi­trsa misy fahasimbana maro any amin’ny seranantsambon’ i Mahajanga, mitentina 1 280 000 tapitrisa dolara, ankoatra ny fanohanana hafa ataon’ny mpamatsy vola. Mahatratra 2 000 isan-taona ny fiantsonan’ny sambo ao an-toerana  ary mikarakara entana hatramin’ny 400 000 taonina isan-taona kosa no raisina ao amin’ izany. Mahajanga no akaiky kokoa ny faritra Afrika sasantsany toa an’i Tanzania. Miala 600 kilometatra fotsiny amin’i Madagasikara, ka mahatonga ny filazana fa anisan’ny seranan-tsambo stratezika ny any Mahajanga. Naorina ny taona 1930 ity seranan-tsambo ity. Nasiana fanarenana ny ampahany ny taona 1985 taorian’ny rivon-doza Kamisy, nanampy trotraka ny ranobe ny taona 2023 ka izao izy nandraisan’ny fitondram-panjakana fepetra havaozina tanteraka izao. Satria nihena hatramin’ny 22% ny fivezivezi’ny entana. Eo koa ny olana ateraky ny reniranon’ny Betsiboka.


Arabe migodana

Fahatelo lehibe koa ny tetikasa Volobe II ataon’ny CGHV any amin’ny kaominina Ambodilazana, disitrika Toa­masina II. Hampiasana famatsiambola 500 tapitrisa dolara ankoatra ny fanampiana avy amin’ny Afrika 50. Miovaova ny tetibola noho ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fiovan’ny filana. Mahatratra 120 MW ny he­rinaratra ho vokarina, ho tsinjaraina eto Toamasina sy ny Tambajotra iraisan’Antanana­rivo (RIA).
Tetikasa goavana fahefatra ny fanamboarana ny arabe migodana Antananarivo-Toa­masina mirefy 260 kilometatra. Tombanana manodidina ny 924 tapitrisa dolara, raha manodidina ny 300 miliara Ar ny vola hanonerana ny fananan’olona maro isan-karazany handalovan’ny fanorenana lalana migodana. Nanomboka ny taona 2022 ny asa, ataon’ny orinasa Samcrete avy any Egypta.

Tetikasa Volobe II

Eo am-pamaranana ny to­lotr’asa mialoha ny tena fanorenana ny tetikasa Volobe II. Nilaza ny tale jeneraly, Rémi Hubert, tamin’ny fandalovany tany amin’ny kaominina Ambodilazana, fa hitondra fampandrosoana an’i Mada­ga­sikara ny fahavitan’ity asa ity. Mialoha izany, mandeha ny fanamboarana sy fanarenana fotodrafitrasa samihafa, toy ny lalana, ny tetezana, ny biraon’ny orinasa, ny fampiofanana ny tan­tsaha, ny fanampiana ny mpianatra, sns.
Nisy ny hetsika ara-kolon­tsaina sy fanatanjahantena, « Lavaravigna », natao ny 21 jona teo, tany amin’ny kaominina Fanandrana, nifanandrify ny fankalazana ny fetim-pirenena. Nandray anjara ny kaominina efatra manodi­dina, Fanandrana, Ifito, Ambodila­zana, Sandrandroy. Nilaza ny talen’ny serasera, Razafindra­koto Annick, fa misy ny fitsinjovana ireo kaominina ireo, amin’ny fandraisana mpiasa ao amin’ny orinasa.

Mihemotra 2 taona ny seranantsambo

Novinavinaina ho vita amin’ny fiandohan’ny taona 2026 ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Nahe­motra 2 taona anefa izany, taorian’ny tombana natao, ny 12 jona teo, noho ny tranga Covid-19 ny taona 2020. Eo koa ny ady any Ukraine, ny any Gaza, sns.
Efa afaka miasa ny 75% ny fifanakalozana ara-barotra, toy ny toerana vaovao mahazaka kaontenera 42 000 isa, izay ho tanjona ny handraisana 1 tapitrisa isan-taona. Nam­baran’ny teknisiana fa anisan’ ny efa vita ny fametrahana bo­longana béton «dolos», miaro ny sisin-dranomasina amin’ny rivodoza.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: