Mandeha ny fanamafisana ireo tetezana miisa 13 (RN2), hitaterana ireo milina mavesatra ho an’ny famokarana herinaratra 105 MW avy any Toamasina mankaty Antananarivo. Miara-misalahy ny fanatanterahana azy ny minisiteran’ny Asa Vaventy sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo. Milanja maherin’ny 60 hatramin’ny 70 taonina ny iray amin’ireo milina.
Mamokatra trondro tilapia 97 t isaky ny enim-bolana, ny mpiompy eny Ambatolampy Tsimahafotsy. Anisan’ny toerana hotsidihin’ny Tale jeneraly ny FAO avy any Roma, ny 23 hatramin’ny 25 jolay eto Madagasikara ity toerana ity. Manampy amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fampananan’asa ny tanora sy ny vehivavy ny seha-pihariana jono.
Ampiharina ny teknika sy fenitra japoney amin’ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana. Nandritra ny 3 taona ny fiofanana niarahan’ny Jica japoney sy ny minisiteran’ny Asa vaventy, tao anatin’ny tetikasa F3LTM. Misy ny boky torolalana, ahitana ny fanaraha-maso sy ny fitiliana ny lalana sy ny tetezana, ny antontam-baovao, ny drafitrasa fikojakojana, sns.




