Muay Thai Oseana Indianina: Tafatsangana ny Kaomity, ao anatiny i Madagasikara

Tafiditra ao anatin’ny mpikambana mandrafitra ny Kaomity misahana ny taranja Muay Thai eto amin’ny ranoma­simbe indianina ny Malagasy telo. Tontosa tany Maorisy izany ny faran’ny herinandro teo.

Vaovao mahafaly ny faha­vitan’ny fananganana ny Kaomity misahana ny taranja Muay Thai eto amin’ny ranomasimbe indianina, ny faran’ny herinandro teo. Tafi­ditra ao anatin’ny birao mandrafitra izany ny Malagasy. Tany Maorisy no nanatanterahana ity fivoriana ity izay finiavana avy amin’ny federasio­nina maro eto anivon’ny Rano­masimbe indianina, nahitana an’i La Réunion, Maurice, Ma­dagasikara ary Mayotte. Araka izany, ny filohan’ny Federa­sionina malagasin’ny Muay Thai, Rakotoalizao Hainatiana Gervais no neken’ny rehetra ho filoha lefitra, raha toa ka i James Gates (Maurice) no filoha. Razanajatovo Carine kosa no mpitambola ary ny Maître Razanajatovo Gildas no anisan’ny misahana ny teknika na ny Tale Teknika. Efa vita ny taratasy rehetra mahakasika ny fananganana izao Kaomity izao ary efa nalefa tany amin’ny federasionina iraisam-pirenena ny Muay Thai, ka andrasana ny fankatoavana izany. Notsiahivin’ny filohan’ny Federasionina mala­gasin’ny Muay Thai fa efa ela no naniry ny hisian’ny Kaomity eo amin’ity taranja ity izy ireo ary izao notanterahina izao. Tan­jona ny hahafahana mifampizara sy hikarakarana fifaninanana goavana eto anivon’ny Ranomasimbe indianina. Efa misy sahady ny fandaharam-potoana tapaka ny amin’izay. Hisy ny fifaninanana hiadiana “ceinture” iray ho an’ny Rano­masimbe indianina sy “ceinture” 2 ho an’i Afrika, izay hatao ny 23 aogositra izao any Mao­risy. Ankoatra ny fananganana ity Kaomity ity, fifampizarana maro no azo tany Maorisy, toy ny seminera, fiofanana ary fi­faninanana. Anisan’ny niatrika ny fifaninanana niadiana “cein­ture” ny Malagasy mpikatroka -60kg, i Frédérico. Resy izy tamin’izany noho ny tsy faham­piana kely teo amin’ny lafiny teknika izay mila hotsaraina hatrany.

Mi.Raz

Partager sur: