Tontosa omaly tao Soustons, France, ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny “Masters”, taranja tsipy kanetibe. Resy teo amin’ny ampahefa-dalana ny ekipa malagasy, nahitana an-dry Zigle sy Tiana ary Balôty. Lavon’ny ekipa Wild Card, tamin’ny isa 13 no ho 11 ry zalahy. Efa nitarika tamin’ny isa 9 no ho 1 ny mpifanandrina no nanenjika ry Zigle ka nihoarany 11 no ho 10. Teo nefa no diso ny paikady ka nivadika ho herijikan-dry Wild Card ka nandreseny. Tsy tafiditra tao anaty lalao mihitsy i Zigle tamin’ity. Tsy nahavita nampiseho ny fahaizany mitifitra fa manao 50%, hany ka manome tombony ho an’ireo mpifanandrina izy.
Afa-bela tamin-dry zalahy izany ity ekipan’ny Wild card ity, izay efa resiny tamin’ny famaranana nandritra ny dingana voalohany.
Niatrika ny fifampizarana teo amin’ny tifitra indray izy telo mirahalahy ka nifampitana tamin’ny ekipan’i Dylan Rocher ry zalahy ka tsy mbola tafavoaka ihany. Resin’i Rocher sy i Feltain ary i Doerr, tamin’ny isa 70 no ho 48. Lalao manaraka ho an’ny Malagasy, amin’ity “Masters 2025” ity, ny dingana fahatelo hatao any Cluses ny 24 jolay ho avy izao.
Tompondaka




