Mankalaza ny faha-50 taona niorenany ny klioban’ny MAKA (Malagasy Karate-do), natsangan’ny Maître Ramanitrandrasana René. Hetsika goavana no hatao ny 18 hatramin’ny 24 aogositra ho avy izao.
Ny taona 1973 no nitsangana ny klioban’ny MAKA. Ny taona 2023 izany no tena feno 50 taona, saingy amin’ity taona ity no hankalazana izany, noho ny antony maro, araka ny fanazavan’ny filohan’ny kaomity mpikarakara ny fankalazana ny faha-50 taona, Sensei Rakotonirina Gilbert. Ao anatin’ny herinandro no hankalazana izany, izay hatao ny 18 hatramin’ny 24 aogositra izao. Araka ny fandaharam-potoana, hisy ny fiofanana natokana ho an’ny mpikatroka eo anivon’ny MAKA, ny 18 sy 19 aogositra izao, ao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hitohy amin’ ny fampirantiana izany, ny 19 hatramin’ny 21 aogositra, izay hatao eo ivelan’ny kianja Barea Mahamasina. Mandritra io 3 andro io no hampisehoana ny tantaran’ny MAKA sy ny vina ary ireo zava-bita tao anatin’izay 50 taona nijoroana izay. Aorian’izay, hisy koa ny fiofanana nasionaly misokatra ho an’ny klioba sy mpikatroka rehetra manana ny “ceinture noire”, izay hiarahana miasa amin’ny federasionin’ny Karate-do Malagasy, hatao ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ihany koa. Hampiavaka ny fankalazana ihany koa ny fifaninanana sy fampisehoana hatao ny 23 aogositra izao ary hofaranana amin’ ny “dejeuner dansant” eny amin’ny Yandy By-pass izany, ny 24 aogositra izao.
Tsiahivina fa klioba lehibe ary manana ny maha izy azy ny MAKA. Namokatra mpikatroka aman’alina izy ary manodidina ny 12 000 ankehitriny ny isan’ny mpikambana. Tsy mpikatroka ihany fa namolavola mpanazatra sy mpampianatra marobe koa ity klioba ity, izay mbola mizara ny traikefany amin’ireo zandry aty aoriana.
Ho avy eto ny Maître Ramanitrandrasana
Hisy ny fanomezana voninahitra ny Maître Ramanitrandrasana René amin’ity fankalazana ny faha-50 taonan’ny MAKA ity, araka ny nambaran’ ny filoha, Sensei Razafimandroso Emilien. Mifanindry an-dalana amin’izany rahateo ny fankalazany ny faha-88 taonany. Ho avy eto an-toerana, any amin’ny voalohandohan’ny volana aogositra any ny Maître Ramanitrandrasana René.
Mi.Raz




