SOMBIM-BAOVAO

Hihemotra amin’ny 16 aogositra ho avy izao ny fifaninanana « Amboaran’Analamanga », taranja Jiujitsu brezialina. Ao amin’ny kianja mitafo Ankoay Ankoron­drano ihany no hanatanterahana ity fifaninanana ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpikarakara, ny ligin’Analamanga taranja Jiujitsu breziliana.

Hotontosaina ny alahady ho avy izao, etsy Arivo­nimamo, ny fifaninanana Rallye Run, « King of Mada 2025 ». Tsara marihina fa ity no dingana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Tsia­hivina fa hifarana anio, ny fara-fisoratana anarana amin’izany ho an’ireo izay maniry handray anjara.

Taorian’izay taom-pilalaovana nandritra ny 10 taona izay, fantatra omaly, fa handao ny klioba Real Madrid Fc, Espagne, i Lucas Vasquez, mpilalao espaniola. Tsara ny mampahafantatra fa anisan’ireo mpilalao niatrika ny Fiadiana ny tompondaka maneran-tany ho an’ny klioba, izay natao tany Etazonia teo, i Lucas Vasquez.

Partager sur: