Elgeco Plus: Mety haka mpilalao avy any ivelany

Manana tanjona ny handeha lavitra amin’ny fifaninanana afrikanina, “Ligue des Cham­pions Caf” (LDC Caf), ny Elge­co Plus de Madagascar. Araka ny nambaran’ny loha­ranom-baovao iray eo anivon’ity klioba ity, mety haka mpilalao avy any ivelany indray ity klioba ity mba ho fanamafi­sana ny ekipan’izy ireo amin’
ity fifanintsanana afrikanina ity.
Marihina fa sambany vao hiatrika ny LDC Caf, ny Elge­co Plus, raha tany amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ireo klioba hatrany no nifanintsanan’izy ireo teo aloha. Tsara ny mampahatsiahy fa i Ismael, mpilalao kameroney, milalao ao amin’ny Elgeco. Mety hisy vahiny tahaka azy ihany koa, araka izany aoriana kely, raha tsy misy ny fiovana farany.
Ankoatra izay, mbola ba­raingo hatrany ny resaka Ki­anja mety handraisan’ny Elge­co Plus ity fifanintsanana afrikanina ity. Ahina ho any ivelany tahaka ny tamin’ny taona lasa izany. Hampian­trano ny fihaonan’izy ireo ny Elgeco Plus. Marihina fa tsy manana kianja ankatoavin’ny Caf i Ma­dagasikara hatramin’izao. Raha mbola mitohy ny zava-misy tahaka izany, voatery any ivelany no hatao ny lala­on’ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga.

F.R

Partager sur: