Misaona ny tontolon’ny handball. Nodimandry omaly, Rakotonindriana Léon Thomas, mpilalao handball fahiny sady mpanazatra. Ny aretina efa nahazo azy, nandritra ny fotoana naharitra no nitarika ny fahafatesany. Raha tsiahivina, tena niaina ary nandany ny androantokom-piainany tamin’ ny fanatanjahantena Itompokolahy. Mpampianatra tao amin’ny ANS Ampefiloha izy. Nilalao tamin’ny klioba maro teto an-toerana, anisan’izany ny Ecole Normale sy ny Celtic tao Fianarantsoa, ny Air Madagascar sy ny ASE ary ny AS ST Michel. Nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, niatrika ny lalao Afrikanina 1978. Taorian’io, mpanazatra ny ekipa nasionaly nandritra ny lalao Afrikanina 1987. Efa nitondra ny BFV HBC sy ny ASC Aro. Noho ny fahaizany, nantsoin’ny federasionina tatsy Seychelles hitana ny andraikitry ny tale teknika nasionaly (DTN) tany an-toerana izy. Namolavola mpilalao maro raha tsy hitanisa afa-tsy i Lala sy i Bako. Izy ihany koa no rain’i Léonie, mpanazatra mpanampy tao amin’ny Barea, tamin’ny andron’i Nicolas Dupuis. Namela mananontena sy kamboty 3 mianadahy Itompokolahy. Andrasana eny amin’ny trano fonenany eny Anjohy ny razana ary hiala ao ny sabotsy ho avy izao ka hihazo an’i Fandriana, tanindrazany, hanaovana ny fandevenana. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny taranja handball ny Gazety Taratra.
Tompondaka




