SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 16 hatramin’ny 24 aogositra izao, any Toliara, ny fiadiana ny tompondakan’i Mada­gasikara, taranja basikety, sokajy Vétérans. Tsiahivina fa tontosa ny herinandro teo ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy, tany Toamasina.

Niditra an-tsehatra omaly alina, ny solontena malagasy, miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika taranja Judo, sokajy Cadets, izay hatao any Luanda. Tsiahivina fa judokas 4 mianadahy no nihazo an’i Luanda hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fifanina­nana ity.

Araka ny fikarohana natao omaly, mandeha ny resaka eo anivon’ny Real Madrid, klioba espaniola, fa mety hampidirina ao anatin’ireo mpilalao ho amidy ihany koa i Vinicus Junior, brezilianina, noho ny fangatahany karama be loatra amin’ity klioba ity. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity.

Partager sur: