Hafana ny lalao eo amin’ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga. Samy hiezaka haka ny amboaran’i Madagasikara ny roa tonta. Ny Elgeco Plus, miketrika pao-droa. Ny Fanalamanga, hiezaka ny handrombaka amboara voalohany ho azy.
Hafana tanteraka! Hifanandrina eo amin’ny famaranan’ny amboaran’i Madagasikara, «Yas Coupe 2025», taranja baolina kitra, ny Elgeco Plus Analamanga sy ny AS Fanalamanga Alaotra Mangoro. Lalao hotanterahina eny amin’ ny Elgeco Plus By-pass, rahampitso. Fihaonana tena andrasan’ny maro izy ity satria ny AS Fanalamanga, izay hiezaka haka ny amboara nasionaly voalohany ho azy. Ny Elgeco Plus kosa manao izay ho afany mba hanao pao-droa amin’ity taom-pilalaovana ity.
Raha hiverenana kely ny lalao manasa-dalan’ireto klioba roa ireto. Ny solontenan’ Analamanga, nanilika ny Cosfa, tamin’ny isa 1 no ho 0. Ny solontenan’Alaotra Mangoro, nandavo ny CFFA Andoharanofotsy, tamin’ny fandakana “tir au but”, 4 no ho 2, rehefa nisaraka ady sahala 1 no ho 1, ny roa tonta nandritra ny fe-potoana ara-dalàna. Samy manana ny lohalaharana mitondra ny anarana Ismael moa ireto ekipa roa mifandona eo amin’ny famaranana ireto, ka andrasana amin’io izay hivoaka ho mpandresy amin’izy mirahalahy.
Fiatrehana ny fifaninanana afrikanina
Na ahoana na ahoana, ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga no solontenan’i Madagasikara, amin’ny fifanintsanana afrikanina alefa any amin’ny Kaonfederasionina afrikanina Caf, mialoha ny 31 jolay ho avy izao. Tsiahivina fa ny Elgeco, handray anjara amin’ny «Ligue des Champions Caf» ary ny AS Fanalamanga hifanintsana amin’ny «Coupe de la Caf». Mbola baraingo ihany koa nefa ny resaka kianja handraisan’ireto klioba roa ireto ny lalaony rehefa tonga io fifanintsanana afrikanina io.
Fitia Randria




