Andro faha-2 ara-tsiantifika : Nomarihin’ny AMMS tamin’ny famelabelaran-kevitra

Tsy afaka misaraka ny fanatanjahantena sy ny fahasalamana. Antoka lehibe ho an’ny atleta ny fananana izany ary mila fanaraha-maso ny atleta iray raha te hahazo vokatra tsara. Izany indrindra no antony nikarakaran’ny AMMS (Association malagasy de la médecine du sport) ny famelabelaran-kevitra ny alarobia 16 jolay lasa teo, teny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. Tafiditra ihany koa ao anatin’ny fanamarihana ny andro faharoa ara-tsiantifika izany.
Nanan-danja avokoa ny fifampizarana nomen’ireo profesora sy manampahaizana, anisan’izany ny fanazavana nentin’ny Docteur Rasata Ravelo Andriamparany mahakasika ny «Biomécanique et sport». Ankoatra ny famelabelaran-kevitra, nisy ihany koa ny fampirantiana ireo fitaovana sy fanafody ara-pahasalamana ilaina amin’ny fikarakarana ireo atleta sy mpanao fanatanjahantena. Tsiahivina, tonga nanotrona sy nanome voninahitra ity andro faharoa ara-tsiantifika ity, ny eo ani­von’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Kaomity Olym­pika Malagasy ary ireo mpiara-miombon’antoka maro, toy ny Healthactiv, Denkpharma, Eric Favre, Paramad sy ny maro hafa.
Ady goavana mbola ataon’ny dokotera misahana ny fitsaboana ara-panatanjahantena ny fanomezan-danja azy ireo sy ny asany. Anisan’izany ny fampitomboana ny isan’ny mpitsabo mandeha amin’ireny fifaninanana iraisam-pirenena ireny. Vina manaraka ho an’ny AMMS kosa ny hikarakara hetsika toy izao isaky ny telo volana, hiarahana miasa amin’ ny Oniversite sy ny mpiara-miombon’antoka maro samihafa.

Mi.Raz

Partager sur: