Toromariky ny filohan’ny Repoblika: Hatao fanta-bahoaka ny vola homena ny atleta

Manomboka izao, havoaka ho fanta-bahoaka ny vola tohana ho an’ny federasionina misahana ny fanatanjahantena. Tafiditra amin’ny ady hamongorana ny kolikoly, voalazan’ny vinan’ny filohan’ny Repoblika izany. Hisorohana ihany koa ny fanaratsiana ny fitondram-panjakana ataon’ny zatra ny lalan-dririnina.

Nampahafantarina imaso imaso, tetsy Ambohijatovo, birao’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, afakomaly, ny fanomezana ny taratasy fankatoavana, milaza fa hampian’ny fanjakana zato isan-jato ireo atleta hiaro ny voninahi-pirenena. Tonga nandray ny anjarany teny an-toerana, ny avy amin’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy, izay hiatrika ny fifanintsanana afrikanina (Ukaf ), any Abuja Nigeria, ny 21 hatramin’ny 27 jolay ho avy izao, ho an’ny sokajy Cadet, Junior, Senior. Nandray ny anjarany koa ny avy amin’ny Federasionina malagasin’ny taranja tenisy ambony latabatra « Ping pong » (FMTT), taorian’izay.
Nanolotra ny antontan-taratasy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, (MJS), Moustapha Abdulah Marson. Araka ny fanambarana sy ny vaovao voaray teny an-toerana, lelavola 177 808 000 Ariary hanampiana ireo atleta miangaly ny haiady karate, raha toa ka 128 326 800 Ariary ny an’ireo Malagasy mpilalao Ping pong.
Olana iray matetika sedrain’ny atleta sy ny federasionina ny fitarazohan’ny fahazoana ny vola. Manoloana izay, nampanantena ny minisitra fa hifampiresaka amin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola amin’ny fanafainganana izany. Tanjona ny tsy hampiroiroy saina na hampitaintaina ny atleta.
Tsiahivina fa miisa 14 ny mpikambana amin’ny delegasionina malagasy ho any Nigeria, ho an’ny taranja karate. Miisa 12 isa kosa ny an’ireo avy amin’ny tenisy ambony latabatra. Horaisina amin’ny
manaraka …

Ankoatra ny taranja Ping pong sy ny karate, nahazo fanasana, teny Ambohi­ja­tovo ihany koa, ny taranja lomano sy ny fibatana fonjamby. Tsara ny mampahafantatra fa ny Malagasy mpilomano izay hiatrika ny fifaninanana ny tompondaka maneran-tany any Sin­gapour, ny 27 jolay hatramin’ny 3 aogositra ho avy izao. Ireo atleta mpibata fonjamby kosa handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, hotanterahina any Ghana, ny 15 -22 aogositra. Samy nahazo fankatoavana avy amin’ny filankevitry ny minisitra avokoa ireo tamin’ny alarobia.

Hoy izy ireo :

Ambinintsoarivelo Jean Herley, filohan’ny Fede­rasionina malagasin’ny taranja tenisy ambony lata­batra, Ping pong:
« Mankasitraka tanteraka amin’ny ezaka hataonao izahay, andriamatoa Minisitra. Tena notanterahinao ilay teninao hoe: tsy asiana zanaky ikalahafa intsony ny eto anivon’ny minisitera. Tena noraisinao avokoa ny taranja ara-panatanjahantena maro misy eto Madagasikara ary efa henonay fa samy nahazo fanampiana avokoa izy ireo. Manome toky anareo izahay fa hiezaka ny hiaro ny anaram-boninahitra efa azon’ny Malagasy, tamin’ity fifanintsanana ity, tany Botswana, ny taona 2024 lasa teo.»

Rakotobe Fenosoa, vehivavy karateka nahazo ny medaly alimo nandritra ny Lalao afrikanina natao tany Ghana, ny taona 2024:
« Tsapanay tokoa fa manampy ary mitsinjo sy miezaka manampy ny tanora ianareo tomponandraikitra eto amin’ny firenena. Hiezaka ny hiady izahay ary efa nanomana tao anatin’ny fotoana lava. Manome toky izahay Malagasy atleta ireto fa hanome ny tsara indrindra avy aminay mba hahazoana vokatra tsara sy hitondrana ny medaly mody eto amintsika. »

Partager sur: