DAKA AN-JORONY: Aza manao fiavin’ ny reniomby jamba

Toa zary sotrobe hazo ity ny kianjaben’ny Mahamasina. Very tsy mahataitra, hita tsy mahafaly. Hiatrika fifaninanana indray mantsy ny Barea de Madagascar, afaka volana iray mahery. Toa tsy mahataitra ny mpankafy intsony ny handre atsy ho atsy fa tsy mahazo fankatoavana indray io fotodrafitrasa io, ka any ivelany indray mifankahita. Mahonena ny zava-misy, saingy toy ny akohokely latsaka an-kady ny mpiondana ity taranja ity, ka na hiantso aza kely feo, hanidina tsy manan’elatra.
Manoloana izany, tsy mba mipitrapitra mahonena ny tomponandraikitra fa mivandravandra mampihoron-koditra. Manao fiavin’ny reniomby jamba, sady manosy ny miharina no manitsaka ny matory. Mbola mampanantena fa hahita ny Barea de Madagascar, hilalao eo an-taniny amin’izay ny Malagasy. Manao izay hampilamina fotsiny ka toa efa misioka sahady nefa tsy mbola tafavoaka ny ala.
Raha tsy manendrika hono ny sampin-kavia, ovay fola-droa fa izay no raitra. Ny kanetin-jaza mantsy no misy andran-dava, ny andro ririnina no mivadibadika, koa aza manao fiavin’ny reniomby jamba, sady manosy ny mandry no manoto ny mifoha. Mahavalalanina ny manaraka ny teti-panorona maty sivy ataon’ny mpitantana. Toy ny tandrimo, mihodina tsy lasa lavitra.
Raha ny zava-misy, toa manosika ny olona hiteny hoe: Aleo lahy, mionona amin’ny anjara sao fatra-pitady ny manganana ka ho sendra ny mangidy tsy ho telina. Ny fanekena ny tsy fahombiazana, tsy faharesena akory fa fanitsiana ny dia amin’ny hoavy. Ny heloka hibaboana rahateo mody rariny. Koa aza manao fiavin’ny reniomby jamba, manoto ny miarina, mitrongy ny mandry.

Tompondaka

Partager sur: