Rugby: 10 taona nanabeazana ny Mang’Arts

Nakotroka ny ivon’ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny fileovana Mang’Arts, taranja rugby. Lanonana notanterahina tetsy Manjakaray, toerana misy ny klioba, ny sabotsy lasa teo izy ity. Nantomboka tamin’ny «carnaval» nitety ny tanàna, avy eo nitokana ny tsangambato teo amin’ny EPP Manjakaray. Notsiahivin’ny filohan’ny Mang’Arts, Herisoa Philippe Olivier (Didy), fa niainga tany amin’ny seksionina avaradrano ity ekipa ity, ary nandrombaka ny ho tompondaka tany. Nifindra teto amin’ny seksionina An­ta­nanarivo Renivohitra ary tao amin’ny ligin’Analamanga. Efa tompondakan’i Madagasikara «Federal 2», ny taona 2019. Nanomboka teo, tsy nitsahatra nisondrotra ny Mang’Arts, ka amin’izao tafiditra ao anatin’ ny «Top 12 Madagascar”.
Anisan’ireo namolavola mpi­lalao sangany tao anatin’izay 10 taona nisiany izay ka amin’izao fotoana izao, misy ireo mandrafitra ny Makis U20. «Taninketsan’ny rugby i Manjakaray», hoy i Didy. Tanjon’ny Mang’Arts, ho an’ny 10 taona manaraka, ny ho tompondakan’i Madagasikara D1. Teny filamatry ny Mang’Arts ny hoe: «Firaha­lahiana, fifankatiavana, firaisankina». Tsy natao am-bava na an-tsoratra fotsiny izany, hoy i Didy, fa porofoina amin’ny asa. Araka izany, nisy ny fizarana bodofotsy ho an’ireo mpiara-belona ao anatin’izao fotoanan’ny ririnina izao. Nisy koa ny fanomezana fanamiana ho fahatsiarovana izao faha-10 taona izao, ho an’ireo mpilalao, mpanohana sy mpiara-miasa. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo sy nofon-kena mitam-pihavanana ny fotoana. Nohamafisin’i Didy ny tsy tokony hikitihana ny kianja fanaovan’ireo ekipa 16 fanazarantena ao Man­jakaray, izay misy hikasa haka.

Torcelin

Partager sur: