Fikambanana vehivavy mpankafy sy mpilalao ny taranja Échecs ny “Chess Her Way”, izay nitsangana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo. Nampahafantatra izany, teny amin’ny IFM Analakely, ireo mpikambana. Tanjona ny hanentana sy hampianatra ny Échecs mba ho fampiroboroboana ny taranja, araka ny nambaran’ny solontenan’izy ireo.Tsy mifidy fiaviana na sokajin-taona sy lentan’ny mpilalao izy ireo fa raisiny avokoa rehefa vehivavy liana amin’ny tontolon’ny Échecs. Tsiahivina fa samy manana ny fiaviany ireto mandrafitra ny fikambanana “Chess Her Way” ireto ary natambatry ny fitiavana sy ny foto-kevitra iraisana. Nisafidy ny teny filamatra hoe “Queens on the board, leaders in the word”, izany hoe, mpanjakavavy eny an-kianja, mpitarika mahomby manerana izao tontolo izao, ny fikambanana izay hampiharina tokoa amin’ny fampiroboroboana ny taranja, indrindra ho an’ny tanora sy ny vehivavy. Nisy ny fifaninanana ara-pirahavaviana tao amin’ny IFM nanamarihana izany fitsanganan’ny “Chess Her Way” izany. Tanjona manaraka ny hanomana hetsika isam-bolana.
Mi.Raz
Vokatry ny fifaninanana:
Sokajy vao manomboka: 1- Andriamifidison Thinaïe, 2- Rabenirina Jade Maya, 3- Rakotonirina Aina Mael
Sokajy antenantenany: 1- Rajaobelina Aysha, 2- Andrianaivosoa Anjara, 3- Razafindrakoto Miantsa
Sokajy efa mpilalao: Ranaivomanana Aysha sy Ranaivomanana Erwan




