Fanatanjahantena – sampandraharaham-panjakana : Pao-droa ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina

Tsy nataon’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Ran­dria­fanomezantsoa Alain, ambanin-javatra ny fanohanana ny ekipan’ny kaominina, Ascut, taranja baolina kitra. Nandritra ny famaranana teo amin’ny fifaninanana fanatanjahantena anivon’ny sampandraharaham-panjakana “Asief”, tao amin’ny Kianja manara-penitra Barikadimy, ny sabotsy teo, no nahitana an’izany. Izy ben’ny Tanàna mihitsy no nitarika ny mpiasan’ny kaominina ho tonga maro anohana ny Ascut baolina kitra teo amin’ny sokajy “Jeu­ne mixte” sy ny “Super Vétéran”. Nifaninanan’ny SMMC sy Ascut avokoa izany. Teo amin’ny “Jeune mixte”, nazava ny fandresen’ny mpiasan’ny kaominina nanoloana ny SMMC, isa 3 no ho 0 no nisarahan’ny roa tonta. Niady dia niady kosa ny lalao teo amin’ny ‘Super Vétéran” nifanatrehan’ny kaominina sy SMMC. Nirava ady sahala 2-2 teo amin’ny fotoana ara-dalàna ka voatery niroso tamin’ny fandakana “tir au but” ny roa tonta, nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 6 no ho 5, indray ny Ascut teto. Vokany, pao-droa ny an’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina hiatrika ny fifaninanana nasionaly hatao any Mahajanga. Nan­dritra ny fanolorana ny am­boara no nilazan’ny tale misahana ny Tanora sy ny fanatanjahantena anivon’ny kaominina, Mahefa Flavien, fa vonona hitondra amboaran’ny Asief hody aty Toamasina. Nanome toky ny ben’ny Tanàna sy ny vahoakan’i Toamasina.

Sajo

Partager sur: