Fiaraha-miasa amin’ny GIZ : Mitaky mangarahara hatrany

Manamafy ny fitantanana mangarahara amin’ny fiaraha-miasa ny “Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusam­menarbeit – GIZ”, Alemana, amin’i Madagasikara. Niompana amin’izany fangaraharana izany ny fampahafantarana ny GIZ tamina faritra maro teto Madagasikara notanterahina ny herinandro teo. Anisan’ny nasongadina tamin’izany ny fametrahana ny fitantanana mangarahara sy ara-drariny amin’ny fomba fanao. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fifanarahana arakasa, ny fividianana entana…
Manohana tetikasa maro amin’ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana, ny angovo azo havaozina, ny fambolena maharitra ary ny fitantanana eo anivon’ny kaominina ny GIZ nandritra ny 40 taona niasany teto Madagasikara.
Nohazavaina tamin’izany koa ireo dingana sy fepetra takina amin’ny fifaninanana ofisialy, na amin’ny endriky ny tolotrasa, na amin’ny fangatahana fanehoan-kevitra.

Synèse R.

Partager sur: