Nambaran’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra (CUA), Ramanantsoa Harilala, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, omaly, fa hanomboka amin’ny alarobia ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Alarobia, ny hetsika « CUA mampilalao kilonga». Natokana ho an’ny ankizy rehetra, 4-17 taona. Taranja telo no hatao dia ny baolina kitra, Rugby ary ny atletisma. Tanjona ny hampidirana ireo ankizy ao anatin’ny tontolon’ny fanatanjahantena sy hampahafantarana azy ireo ireo taranja hafa. Atao isaky ny alarobia ny hetsika. Manomboka amin’ny 9 ora-12 ora atoandro. Anisan’ireo mikarakara ity hetsika ity ny mpanazatra mpanampy ny Barea, Henintsoanarivo Hildecoeur (Coach Dekera). Tsara ny mampahatsiahy fa ao anatin’ny fialantsasatra ny ankizy amin’izao fotoana. Rariny loatra raha omena fialamboly tahaka izao, mba tsy hironan’izy ireo any amin’ny zava-mahadomelina. Tsiahivina fa manana klioba fanta-daza ny CUA, toy ny Uscafoot ho an’ny baolina kitra, ny Uscar eo amin’ny rugby. Ny Uscafoot, mifaninana amin’ny “World Cola PFL” ary ny Uscar, eo amin’ny “XXL Top 12”.
Fitia Randria




