Hotanterahina ny 23 jolay izao, any Nizeria, mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja karate, ny fivoriambe arahina fifidianana, eo anivon’ny Ufak (Union Federation African of Karate). Anisan’ny handray anjara amin’ny fifidianana ny filohan’ny federasionina ny Karate-do Malagasy, Ratefinanahary Emile, izay efa any an-toerana.
Nahita fahombiazana nandritra ny lalao ara-pirahalahiana izay natao ny sabotsy teo, tany Tsididy ny Barea A’, izay hiatrika ny Chan any Tanzanie, ny volana aogositra ho avy izao. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 5 no ho 1 ny ekipa voafantin’i Bongolava. Marihina fa mbola andrasana amin’ity herinandro ity, ny lisitr’ireo mpilalao handrafitra ny Barea hiatrika ny “Chan 2024”.
Solontenan’i Madagasikara amin’ny fifanintsanana any Afrika, “LDC Caf”, ny Elgeco Plus ary “Coupe de la Caf” ny an’ny As Fanalamanga. Hatramin’izao nefa mbola baraingo ny resaka kianja handraisan’izy ireo izany lalao izany. Tsiahivina fa tsy mbola manana kianja hankatoavin’ny Caf i Madagasikara, amin’izao fotoana izao, fa mindrana amin’ireo firenena hafa hatrany rehefa hanao lalao afrikanina.




