Judo: Nahazo tsodrano tamin’ny MJS i Laura

Toy ny taranja hafa, anisan’ny nisitraka fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana ihany koa ny taranja Judo, tamin’ny alalan-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, izay hiatrika ny fifaninanana “Grand Slam d’Oulanbator” any Mongolie, ny 26 jolay ho avy izao. Hisy ihany koa ny fiofanana mandritra ny hateloana ataon’i Laura aorian’ny fifaninanana, ny 28, 29 ary 30 jolay izao. Nisy ny fanohanana ara-bola nomen’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena azy hiatrehana izany fifaninanana iraisam-pirenena iza­ny. Nambaran’ity Judokas ma­lagasy ity fa azo lazaina ho milamina ny hoenti-manana hatreto. Satria, efa niantohan’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny Judo ny saran-dalana ary izao mitondra ny fanohanana sy fankaherezana izao ihany koa ny fitondram-panjakana, izay notolorany fisaorana.
Mahakasika ny fanomanana kosa, teto an-toerana no nanoman-tena i Laura noho ny antony manokana. Tsara ny fanomanana, raha ny nambarany, na teo aza ny ratra nahazo azy. Tanjony ny hiakatra “podium”, izay tsy mbola nisy hatramin’izay, mandritra ity “Grand Slam d’Oulanbator” ity. Tsara ny manamarika fa i Laura irery no solontenan’i Afrika manontolo amin’ity fifaninanana goavana maneran-tany eo amin’ny taranja Judo ity.

Mi.Raz

Partager sur: