Fanapoizinana teny Ambohimalaza : Hanazava ny toe-draharaha ny filoha sy ireo minisitra

Hampanantsoin’ny filoha Rajoelina Andry eny Iavoloha ireo minisitra tomponandraikitra mahakasika ny fanapoizinana niseho teny Ambohimalaza. Hivantana amin’ny TVM/RNM izany ny alakamisy alina izao.

Nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tao amin’ny pejy “Facebook” ny, omaly, fa mametraka ho laharam-pahamehana hatrany amin’ny fa­nam­barana ny marina manoloana ny vahoaka malagasy ny tenany, indrindra eo anatrehan’ny zava-mitranga nateraky ny raharaha fanapoizinana, iray volana mahery izay. Notsiahiviny fa nahatonga fahafatesan’olona maro izany, araka ny fanambarany.
Manoloana izany, hampiantso ireo minisitra tomponandraikitra amin’ny sehatra voakasiky ny raharaha fanapoizinana iny ny filoha. Hotanterahina eny Iavoloha, ny alakamisy 24 jolay izao, amin’ny 8 ora alina, izany dinika izany ary handeha mivantana amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM/RNM. Hanome tatitra sy fanazavana feno izy ireo, indrindra hoentina manazava ny zava-nisy manodidina ity raharaha ity. Fa eo koa ireo fepetra rehetra noraisina.

Tsy hananan’ny vahoaka ahiahy
Nasongadiny koa fa tanjon’izao fampitana mivantana izao ny tsy hananan’ny vahoaka ahiahy sy fanontaniana mitobaka. Tafiditra ao anatin’izany koa ireo fianakaviana voakasiky ny fahafatesana sy ireo mbola miady amin’ny aretina any amin’ny toeram-pitsaboana amin’izao fotoana izao.
Tsiahivina fa efa naneho ny heviny momba io raharaha io ny filoha Rajoelina Andry, andro vitsy taorian’ny nisehoan’izany. Nambarany fa misy tantara lavabe io ary efa hita taratra ny nahavanon-doza ka hatao hatramin’ny farany ny fanadihadiana. “Tsy maintsy saziana mafy ireo namono ny mpiray tanindrazana na ny fianakaviana… Misy tsy fifankahazoana sy fialonana na disadisam-pianakaviana miteraka ny tahaka izao… Hampahafantarina ny vahoaka ny momba io raharaha io rehefa vitan’ny tomponandraikitra rehetra izany”, hoy izy, tamin’izay.

Synèse R.

Partager sur: