Mandalo eto Madagasikara ireo iraka manokana ara-teknika eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy izy ireo, omaly.
Voaresaky ny roa tonta ny fizotry ny fanadihadiana momba ireo tetikasa atao mba hahafahana mametraka paikady eo amin’ny fananantany. Nohazavain’ny minisitra tamin’ireto avy amin’ny mpamatsy vola ireto ny dingana atao sy ny hoenti-manana ary ny fe-potoana hahavitana izany. Nankasitraka ireo asa efa vita kosa ny avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, indrindra fa ny fanatsarana nentin’ny minisitera ho amin’ny fiarovana ny fananantany. Noderain’izy ireo manokana ny haitarika eo anivon’ny MFFT amin’ny fampandehanana ny tetikasa “Havelo Mandrare”, anisan’ny hitondra fampandrosoana maharitra any atsimon’ny Nosy. Anisan’ny misedra olona rahateo iny faritra iny manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny tsy fampian-drano miverimberina, ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny fahantrana lalina sy ny fihazakazaky ny fandaozan’ny mponina ny tananàny. Anisan’ny ezaky ny fanjakana miaraka amin’ny mpamatsy vola manoloana izany ny nametrahana ny “Programme régional de résilience climatique -PRRC” amin’ny alalan’ny tetikasa “Havelo Mandrare”. Ao anatin’izany ny fanorenana tohodrano, ny fotodrafitrasa ho amin’ny famokarana herinaratra, ny fanajariana tany 20 000 ha ary ny fampidirana rano fisotro amin’ireo kaominina any amin’ny faritra Anosy sy Androy. Anjara birikin’ny MFFT amin’izany tetikasa izany ny momba ny fananantany ahafahana manatanteraka ny asa nefa koa miaro ny zon’ireo eny ifotony.
Synèse R.




