Nahitsy ny mpisolovava ny fianakavian’ireo namoy ny ainy, amin’ny “Raharaha Ambohimalaza”, ny Me Rafidison Eric. Nambarany fa lasa mampitombo ny marina tsy fantatry ny vahoaka ny lazain’ireo manampahefana. “Mbola tsy nahafantatra ilay singa nahatonga ny famosaviana isika. Angatahina ny hivoahan’ny tena marina”, hoy izy.
Nambaran’ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy, fa tsy misy zavatra afenina ny “Raharaha Ambohimalaza”. Nanteriny fa jenjin’ny famoronana tsaho ny maro ka tsy afaka nandinika tamin’ny fo tony. “Aleo handeha ny fitsarana hivoahan’ny marina. Manan-jina ny aina ary manana zo hahalala ny marina ny fianakavian’ireo namoy ny ainy”, hoy izy.
Nampahery ny vahoakan’Antsirabe sy ny Malagasy noho ny fahamaizan’ny tsena ao Asabotsy, Rakoto Andrianirina Fetison. Maro ireo ho very asa, tsy ny mponin’Antsirabe ihany. “Maneso antsika ny anaran’Antsirabe hoe “Ville d’eau”… Manery hiatrika sy hijoro izao, indrindra ireo tomponandraikitra natao hiaro ny toa izao tsy hitranga”, hoy izy.
Nahazo fiara iray, Toyota Land Cruiser, avy amin’ ny Pnud ny minisiteran’ny Fitsarana. Nankasitraka ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny minisitra, Rakotomandimby Benjamin Alexis. Nambarany fa mikendry ny fanamafisana ny rafitra fitsarana sy ny fanohanana ny asam-panjakana amin’ny fomba fanao madio, mahomby ary mangarahara izao.




