« Gymnastique rythmique » : Tanjon-dRakotonirina Tiara ny hanao lalao olympika

Mandalo eto Madagasikara mifampizara traikefa amin’ireo ankizy sy tanora misehatra amin’ny taranja « gymnastique », ny atleta, Malagasy, Rakotonirina Tiara. Manana tanjona lavitra izy.

Ny hanao lalao olympika no tanjon-dRakotonirina Tiara amin’ny «gymnastique rythmique», taranja iangaliany, raha ny nambarany. Avy niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany natao tany Bulgarie farany teo izy izao mandalo eto an-tanindrazana izao. Mahita ny fahaiza-ma­naony sy ny talentany ihany koa ny Federasionina malagasin’ny «gymnastique», tarihan-dRandriamalala Jackie, ka vonona ny hanosika sy hanohana azy. Etsy ankilany, anisan’ireo atleta voatsonga maneran-tany misitraka ny vatsim-pianarana « bourse de solidarité », avy amin’ny FIG (Fédération In­ternationale de Gymnasti­que) ihany koa izy. Noho ny fahaiza-manaony sy ny fahitan’ny FIG ny dingana rehetra nolalovany no antony.
Vao 6 taona monja dia efa niangaly ity taranja ity Rakotonirina Tiara, rehefa nipetraka tany Doha Qatar. Tany izy no nivoatra tsikelikely. Efa niatrika fifaninanana maro izy, saingy izao izy efa 13 taona izao vao misoratra eo anivon’ny Federasionina iraisam-pirenena, ka afaka niatrika iny fiadiana ny tompondaka maneran-tany farany teo iny. Misy mihitsy ny mpanazatra manokana manaraka akaiky azy, izay nanamafy fa manana talenta ity Malagasy atleta ity ary ho lasa lavitra eo amin’ny tontolon’ny «gymnastique». Ezaka goavana ataon’ ny Fe­derasionina malagasy ny ha­molavola atleta manana talenta toa an’i Tiara. Hisy mihitsy ny tetikasa hampidirana ity taranja ity eny anivon’ny sekoly. Mankasitraka tanteraka izany tetikasan’ny FMG izany, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Moustapha Marson Abdulah, izay tonga na­­notrona an’i Tiara teny Anko­rondra­no, omaly, nandritra ny « Master class”.
Manatanteraka io « Master class » io moa no tena anton-dian’i Tiara eto Madagasikara. Efa nisy izany tany Antsirabe, ny herinandro lasa teo, ary izao notohizana, omaly, eto Antananarivo izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Anko­rondrano. Ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Juniors indray izao ny fandaharam-potoana iraisam-pirenena manaraka miandry an-dRakotonirina Tiara.

Mi.Raz

Partager sur: