Afaka 10 andro, hiatrika ny “Chan 2024”, izay hotontosaina any Tanzanie, Kenya ary Ouganda, ny 2-30 aogositra ho avy izao, i Madagasikara. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nivoaka ny lisitry ny Malagasy mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar A’. Nilaza ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa hofantatra amin’ity herinandro ity izany.
Etsy ankilany nefa, anio ihany no fe-potoana farany handefasana ny anaran’ireo mpilalao izay hiaro ny voninahi-pirenana mandritra ity fifaninanana ity, any amin’ny Kaonfederasionina afrikanina (Caf). Tsara ny mampahatsiahy fa mpilalao 42 no nantsoina hamonjy ny fifantenana izay natao teto an-toerana. Fanamby lehibe miandry ny Malagasy mpilalao ny hanamontsana ireo zava-bitan’ny teo aloha. Tamin’ny taona 2023, laharana fahatelo ny Barea A’. Ampahafantarina ihany fa iray vondrona, “B”, misy ny Malagasy, i Centrafrique, i Mauritanie, i Tanzanie ary i Burkina Faso.
F.R




