SOMBIM-BAOVAO

Hiatrika ny dingana fahatelo amin’ny «Women’s Series FIBA 3×3”, any Sumgait Azerbaïdjan, ny 26 sy 27 jolay izao, ny Ankoay, sokajy vehivavy. Hahitana an’i Hajanirina Muriel, Harisoa Christiane, Miandrasoa Koloina ary Randriatahiana Sarobidy ireo handray anjara. Ny ekipa ao Takasaki sy Grande Bretagne no iray vondrona amin’izy ireo amin’izany.

Nifarana ny sabotsy 19 jolay teo ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny ankizy, «Green Cup League». Lasan’ny sekolin’ny baolina kitra EFMA, ny amboara ho an’ny sokajy U-13, raha ny FC Bayern kosa no nibata ny laharana voalohany ho an’ny U-11. Tsara marihina fa tanjon’ny mpikarakara amin’izany ny hanomezana sehatra ireo taninketsa eto Madagasikara.

Hanomboka anio, eny amin’ny Kianja Alarobia, ny tohin’ny hetsika ara-panatanjahantena “CUA mampilalao kilonga”. Anisan’ireo taranja handeha eny an-toerana, ny Atletisma, ny Rugby, ny Baolina kitra. Tsiahivina fa misokatra ho an’ireo ankizy 4 – 17 taona rehetra, afaka manao izany, ny lalao eny an-toerana.

Partager sur: