Fanamafisana ny fahaiza-manao: Hatsaraina ny fomba fiasa amin’ ny fananantany

Nanomboka omaly ny atrikasa fanamafisana fahaiza-manao ho an’ireo tomponandraikitry ny sampandraharahan’ny fananantany. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa izany.

Anisan’ny misitraka izao atrikasa sy fampiofanana izao ny avy any amin’ny faritra Bongolava sy Itasy ary Analamanga, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fi­tsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Miom­pana amin’ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fomba fiasa amin’ny sehatry ny fananantany. Eo koa ny hitondrana tolotra tsara amin’ny asam-panjakana, amin’ny alalan’ny fahafehezana ny asa sy ny fananana vahaolana mahakasika ny isan-tsehatra. Anisan’ ny mandray anjara amin’izany ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny Sampandraharaham-paritry ny fananantany sy ny fandrefesan-tany (SRD sy SRT), ny tomponandraikitra ao amin’ny fari-piadidiana Cirdoma sy ny Cirtopo avy amin’ireo faritra telo ireo. Manampy izany ireo mpiasa eo anivon’ny Birao solontenan’ny fananantany iraisana (BSFI).

Karatany avadika ho “Titre”

Etsy andaniny, nampahafantarin’ny MFFT koa ny fanomezana karatany, avadika ho “Titre”, sy ireo dingana arahina. Anisan’izany ny fametrahana ireo fangatahana ireo. Firosoana amin’ny fitsirihana sy ny fandrefesana ary ny fametrahana ny tsato-bato amin’ny fotoana iray. Tohizana hatrany amin’ny famoahana sy fanaovana sonia ny karatany anefa izany raha miseho ny fanohanana. Tsy maintsy hajaina koa ny voalazan’ny lalàna: Fe-potoana 15 andro ny petadrindrina aorian’ny fanapahan-kevitry ny fitsirihana. 30 andro aorian’ny fitsirihana koa no ahafahana manao ny fanohanana.
Miroso amin’ny fanaovana “Titre” ho amin’ny anaran’ny tompony eny amin’ny biraon’ny fananantany ny mpangataka rehefa tsy misy ny fanohanana.

Synèse R.

Partager sur: