Tolo-kevitry ny OSC : “Tokony ho Malagasy izay ho kandidà”

Anisan’ireo efa nandefa soso-kevitra ho fanatsarana ny lalàm-pifidianana eny anivon’ny Ceni, araka ny antso nataony, ny Vondron’ny fiarahamonim-pirenena, OSC. “Tokony ho ireo olom-pirenena mizaka ny zom-pirenena malagasy ihany no afaka miatrika ny fifidianana eto amin’ny firenena”, hoy izy ireo. Nasongadin’ireto fiarahamonim-pirenena ireto koa ny tokony hamaritana sy hijerena amin’ny antsipiriany ny fehezan-dalàna momba ny fisitrahana zom-pirenena malagasy. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny soso-kevitra fanatsarana nentin’ireo fiarahamonim-pirenena ireo koa ny famerana tanteraka sy mazava momba ny fampielezan-kevitra mialoha sy ny tetibola ampiasain’ireo mpirotsaka hofidina amin’ny fifidianana.
Etsy andaniny, anisan’ny takin’ireo antoko politika efa nandefa soso-kevitra fanatsarana koa mahakasika ny mangarahara amin’ny fifidianana sy ny tokony hampahaleo tena ny Ceni.
Tsiahivina fa efa maherin’ny 20 ireo sehatra samihafa, fiarahamonim-pirenena, antoko na fikambanana politika sy olon-tsotra nandefa ny tolo-kevitra eny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia. Hiroso amin’ny fandravonana izany ity rafitra mpikarakara fifidianana ity aorian’izany ary hampahafantatra izany avy eo. Hotanterahina amin’ny fiandohan’ny taona kosa ny fihaonambem-pirenena ho amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana.

Synèse R.

Partager sur: