Efa dila ny fe-potoana. Omaly no fotoana farany nomen’ny Kaonfederasionina afrikanina handefasana ny lisitry ny Barea A’, izay hiatrika ny “Chan 2024”. Hatramin’ny omaly, ora nanoratanay, tsy mbola nivoaka izany. Raha tsy misy indray ny fiovana farany, hivoaka anio.
Afaka sivy andro eo sisa, hiatrika ny “Chan 2024”, izay hotontosaina any Tanzanie, Kenya ary Ouganda, ny 2-30 aogositra ho avy izao, i Madagasikara. Hatramin’ny omaly alina, tsy mbola nivoaka ny lisitry ny Malagasy mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar A’. Raha ny fantatra nefa, omaly io ihany ny fe-potoana farany nomen’ny Kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra handefasana ny lisitr’ireo mpilalao anivon’ny firenena tsirairay avy mifanintsana amin’ity Chan ity. Nilaza ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), fa tsy maintsy havoaka amin’ity herinandro ity izany. Misy amin’ ireo pejy anaty tambajotran-tserasera, izay mikarakara ny fifaninanana divizionina voalohany eto Madagasikara, « Pro League », milaza fa raha tsy misy ny fiovana, hivoaka anio izany. Mametra-panontaniana amin’ity zava-misy ity ny mpankafy baolina kitra. « Inona ny mahatonga izany, raha efa omaly tokoa ny fe-potoana farany? », hoy ny mpankafy baolina kitra iray. Andrasana amin’ity herinandro ity indray izany io lisitra io. Tsara ny mampahatsiahy fa zava-dehibe ho an’ny maro ny mahafantatra ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena. Ireo firenena any ivelany mampahafantatra izany amin’ny haino vaky jery sy ny vaovao maro, ary ny tambajotran-tserasera.
Iza amin’izy 42 lahy?
Ampahatsiahivina ihany fa mpilalao 42 no nantsoina hamonjy ny fifantenana izay natao teto an-toerana. Ary firy amin’izy ireo no entina hiaro ny voninahi-pirenena malagasy. Fanamby lehibe miandry ny Malagasy mpilalao ny hanamontsana ireo zava-bitan’ ny teo aloha. Tamin’ny taona 2023, laharana fahatelo ny Barea A’. Ampahafantarina ihany fa iray vondrona, “B”, misy ny Malagasy, i Centrafrique, i Mauritanie, i Tanzanie ary i Burkina Faso.
Fitia Randria




