Tsipy kanetibe – «Masters 2025»  : Tsy hiatrika ny dingana fahatelo i Zigle

Hatao anio, any Cluses, ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, ta­ranja tsipy kanetibe. Niova ny firafitry ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity. Najanona ary nosoloina an’i Yves i Zigle. Noho ny vokatra tsy dia nahafa-po loatra nasehon’ity tompondaka maneran-tany amin’ ny “tir de précision” ity, no an­ton’ izany, raha ny fanadiha­diana natao. Araka izany, hiaraka amin’ity i Baloty sy i Tiana­kely ary i Yves. Heverin’ny rehetra fa hahatohitra tsara ireo mpifanandrina aminy izy telo lahy ireto.
Raha tsiahivina, nahazo ny dingana voalohany i Mada­gasikara, avy eo resy teo amin’ ny ampahefa-dalana nandritra ny dingana faharoa ary tsy nahazo isa mihitsy. Hanarina io tsy fetezana io izany ry Yves, amin’ity. Manana isa 10 ny Malagasy taorian’ireo dingana roa vita ireo ary mipetraka eo amin’ny laharana fahatelo.
Mbola mitarika ny ekipa Riviera, amin’ny isa 14, arahin’ny Wild Card Loy, nahazo isa 14. Fahefatra mitovy samy ma­nana isa 7, ny ekipan’i Italie sy i Bonetto. Fahenina ry Andriantseheno Christian (Racl), isa 5 ary fahafito i Dylan Rocher, tsy manana afa-tsy isa 4.
Nisy fiovana ihany koa ny ekipan’i Italie satria tsy hiatrika ity dingana fahatelo ity i Diego Rizzi fa nosoloina an’i Co­metto. Mbola hiaraka kosa i Baudino sy i Riviera ary i Hat­chadourian, voalohany vonjimaika amin’ity.

Tompondaka

Partager sur: