Raharaha Ambohimalaza : Mpianakavy nifamosavy !

Mazava ny tenin’ny filohan’ny Repoblika, fa mpianakavy nifamosavy noho ny disadisam-pitiavana no nahatonga ilay raharaha Ambohimalaza. Zavamaniry misy poizina no nampiasaina namonoana ireo mpilanona.

“Zava-maniry Ramiary sy Beladôme no na­fangaron’ilay nahavanon-doza nanapoizinana ny sakafo nafahafatesana olona 32 teny Ambohimalaza”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Ra­joelina Andry. “Olana ara-pitiavana, lonilonin’ny mpianakavy no niafara tamin’ny famosaviana”, araka ny fanazavany. Atidoha tamin’ny fanapoizinana ny renim-pianakaviana iray. Ity farany izay nikotrika valifaty taorian’ny nahafatesan’ny zokiny vavy sy ny zanany tamin’ny taona 2016.
Nohararaotiny tamin’ny lanonana nokarakarain’i Fe­nohasina, teny Ambohima­laza, ny valifatiny. “Tanjon’ilay nanapoizina ny hamono ilay zaobaviny izay nangalatra ny vadin-jokiny”, hoy hatrany ny fanazavana ofisialy. Nidin’ilay mpanao ratsy tamin’ny efitra hafa tao amin’ny trano nanaovana lanonana ny zanany. Efa noferany koa ireo zana-drahavaviny hafa tsy ihinana ny sakafo. “Tsy nisy maty ny zanany, nisy tamin’ireo zana-drahavaviny izay efa noferany no maty satria tsy nahafehy tena”, hoy ny filoha.
Nosavaina ny tranon’ity vehivavy voalaza fa atidoha ity ka: “Singa manokana avy amin’ny zavamaniry Ramiary sy Beladôma no nanamboarany ny poizina”, hoy ny Fi­loham-pirenena.

Lasibatra ny tompom-pety
Anisan’ny lasibatra tamin’ilay fanapoizinana teny Am­bohimalaza ny tompom-pety, araka ny fanazavan’ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, Ra­kotondrazaka Andry. “Raha­raham-pianakaviana io tranga io”, hoy ny fanazavany. No­hamafisiny koa fa lasibatra ka naiditra hopitaly ny tompom-pety. Na izany aza, mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana an’i Feno­hasina. Tsy manana olona arovana amin’io raharaha io ny fitondram-panjakana, araka ny fanamafisan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Ankoatr’io, notsindrian’ny lehiben’ny mpampanoa lalàna, Rakotoniaina Narindra Navalona, fa voararan’ny lalàna ny fanapariahana vaovao tsy marina ka mampiteraka savorovoro, antony nampiantsoana ilay pasitera iray teny anivon’ny fampanoavana.

Tsy “botulisme”
Nanamafy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, An­driamanantany Zely Arivelo, fa fanapoizinana niniana natao fa tsy Botulisme ilay nitranga teny Ambohimalaza. “Tsy Botulisme velively iny tranga iny. Tsy manimba aty sy voa rahateo io aretina io”, hoy izy. Ny fahazoana ny fanefitry ny poizina na “Anti­dote” taorian’ny valin’ny fitiliana natao tany ivelany no nahafahana nanavotra ireo olona izay efa tafavoaka soa aman-tsara ny hopitaly amin’izao fotoana.
Marihina, nandray anjara tamin’ny fampahafantarana ny mombamomba ny zava-nitranga teny Ambohimalaza ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Rakotoarimanana Herilala.

Tsiferana R.

Partager sur: