Fanjifana : Efa ilaina andavanandro ny MVola

Miova tanteraka ny fanjifana! Araka ny efa namantarana azy tato anatin’ny 15 taona, fifanakalozana ara-bola niomerika amin’ny alalan’ny finday ny MVola. Tsy mila mikirakira ravim-bola intsony. Lasa vokatra ilain’ny andavanandron’ny (PPN) ny mpan­jifa, ankehitriny, ny MVola. Azo ampiasaina handoavana ny fandaniana samihafa, toy ny faktioran’ny Jirama, ny saram-pamandrihana Canal +, hilalaovana amin’ny Bet 261, sns. Tsy mila mihetsika fa eo am-pitoerana ihany dia vita. Azo ividianan-javatra any amin’ ny toeram-pivarotana isan-karazany, toy ny any amin’ny tranombarotra lehibe, eny an-tsena, farmasia, amin’ny fitaterana, sns.
Toraka izany, koa any amin’ ny raharaham-panjakana sa­mihafa. Miara-miasa ny MVola sy ny Fitantanana foibe ny Tahirimbolam-panjakana. Azo atao ny mandoa ny saran-draharaha, ankoatra ny hetra. Fanampiny, azo atao ihany koa amin’izao fotoana izao ny mandoa ny latsakemboka any amin’ny Cnaps. Nampahafan­tarina, ny 23 jona 2025 teo, io fifanarahan’ny MVola sy ny Cnaps io.
Tanjona amin’ireo rehetra ireo ny fanamorana ny filana andavanandron’ny Malagasy. Nilaza ny tale jeneralin’ny MVola, Louis-Olivier Favot, fa « hainay tsara fa misy lanjany daholo ny fihetsika tsirairay. Andraikitray ny manohana ny Malagasy amin’ny fiainany andavanandro, hanomezana azy ireo tolotra sahaza ny rehetra ».

Njaka A.

Partager sur: