Fihaonana an-tampon’ny SADC: Atao tsara antoka ny fampandehanan-draharaha

Ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny Sadc, manome lanja manokana ny fanofanana ireo ekipany hiantohana ny fampandeha­nan-draharahan’izany hetsika le­hibe isam-paritra izany i Madagasikara. Ny teny ang­lisy no teny ofisialin’ny Sadc. Noho izany, manamboninahitra 100 eo ho eo avy ao amin’ ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ireo sampandraharaham-panjakana hafa no nahazo tombontsoa tamin’ny fiofanana momba ny teny an­glisy nandritra ny tapa-bolana. Nifarana teny amin’ny minisiteran’ny Raraharam-bahiny, Anosy, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nanome izany ireo mpampiofana efa za-draharaha avy amin’ny Fikambanana malagasy mpampianatra teny anglisy (ELTA).
Niompana amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny diplaomasia ny fiofanana. Eo koa ny tontolon’ny politika sy ny tantara, ny fomba fanao amin’ny arofenitra, ny fanazaran-tena azo ampiharina toy ny filalaovana an-tsehatra sy ny famelabelarana ara-kolontsaina. Mikendry ny hampitaovana ny mpandray anjara amin’ ny fahaiza-miteny sy ara-ko­lontsaina ilaina amin’ny fifandraisana mahomby amin’ny fihaonana koa izany. Naneho fisaorana feno ny masoivohon’ i Etazonia eto Madagasikara ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Noho ny fanohanan’izy ireo amin’ny alalan’ny hetsika fampivoarana ny fahaiza-manao. Porofon’ny fifandrai­sana tsara eo amin’ny firenena roa tonta ny fiaraha-miasa, mifototra amin’ny fifanajana sy ny fahaiza-manao iombonana ary ny fanoloran-tena iombonana amin’ny fahombiazan’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena.

R. Nd.

Partager sur: