Marina hoe misy ny fisaraham-pahefana: mpanao lalàna, mpanatanteraka, mpitsara. Io no nambaran’ny mpisolovavan’ireo fianakaviana manana ny maty tamin’ny “Raharaha Ambohimalaza”, ny Me Rafidison Eric, teny Anosy, afakomaly. Tsy tokony hitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana ny fahefana mpanatanteraka, fa sahirana ny mpitsara.
Nifarana teny amin’ny kianjan’ny kanto, Mahamasina, omaly, ny tsenaben’ny Firaisankina naharitra hateloana ao anatin’ny faha-75 taon’ny Fifanampiana malagasy. Mivelatra amin’ny famokarana, fanabaezana, fahasalamana… ankehitriny, na fanampiana ireo tra-pahavoazana tamin’ny “Raharaha 29 marsa 1947” aza no antom-pijoroany tany am-piandohana.
Nahemotra ho amin’ny 1 aogositra ny fitsarana ny raharaha fifidianana ben’ny Tanàna tany Toliara, raha tokony ho natao teny Anosy tamin’ny
25 jolay teo. Anton’izany ny tsy fahatongavan’ny ben’ ny Tanànan’i Toliara amin’izao, Rabehaja Jean, izay torina. Nampiakatra ny raharaha amin’ny fitsarana fandravana didy, Antananarivo, ny kandidà mpanohitra.




