Karate-Tompondakan’i Afrika : Medaly alimo 5 norombahin’ny Malagasy

Tsy tanam-polo fa nitondra vokatra ny Malagasy mpikatroka niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja karate, tany Nizeria, natao ny 24 hatramin’ny 27 jolay lasa teo. Medaly alimo 5 no norombahin’ny atleta malagasy nandritra izany. Nahazoana vokatra tsara avokoa ny sokajy rehetra, na ny Cadets, na ny Juniors, na ny Seniors. Anio no hitodidoha hiverina an-tanindrazana ny delegasionina malagasy miaraka amin’ireo medaly azon’izy ireo.

Fanamby napetraky ny Federasionin’ny Karate-do Mala­gasy (FKM) ny hahazoana medaly maro mandritra ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao tany Nizeria ity. Azo lazaina ho tratra ny tanjona amin’ny ankapobeny, araka ny nambaran’ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Emile. Ezaka maro no natao nanomanana ity fifaninanana ity ary nahitana vokany izany. Notsiahiviny fa niatrika fampivondronana intelo ireo atleta malagasy ireo ary nanao ny ainy tsy ho zavatra ny mpanazatra sy ny mpitantana nandritra izany fotoana rehetra izany. Maro ihany koa, hoy hatrany ity filohan’ny FKM ity, ny sakana nandritra ny enim-bolana nanomanana fa niroso hatrany ka nahavita dingana goavana. Zava-dehibe ny fahazoana medaly amin’izany fiadiana ny tompondakan’i Afrika izany. Satria, sady mampiakatra ny isa eo anivon’ny federasionina iraisam-pirenena na ny “ranking Mondial” izany no hahazoana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany.

Fandraisana anjara voalohany

Raha hiverenana ny vokatra, nanokatra ny fahazoana medaly ho an’i Madagasikara, Rakotondrazaka Natanaela, sokajy Junior teo amin’ny Kata, izay nifaninana ny zoma 24 jolay lasa teo. Nandrombaka ny medaly alimo izy, rehefa nifanandrina tamin’ny mpikatroka avy any Burundi sy Egypte ary Cameroun. Fandraisana anjara voalohany amin’ny fifaninanana kaontinantaly ity fiadiana ny tompomdakan’i Afrika ity ho an’i Natanaela ary hahafahany ihany koa hifaninana amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, ny volana desambra izao, eo amin’ny sokajy « Jeunes ».
Anisan’ny nifaninana tamin’io zoma io ihany koa, Rahanitriniaina Sarobidy, teo amin’ny Kumite, latsaky ny 47 kg vehivavy. Vokatra tsara no azony, rehefa nifanandrina tamin’ny mpikatroka avy any Kenya, Egypte ary Afrika Atsi­mo. Medaly alimo ihany koa no azony, rehefa nandavo ilay teratany Afrikanina tatsimo tamin’ny isa 6 no ho 3 i Sa­robidy.

Nitohy ny fahombiazana
Tsy nijanona hatreo ny fahombiazan’ny Malagasy fa nitohy ny sabotsy, teo amin’ny sokajy Juniors. Medaly alimo 3 indray no norombahan’ny solontena malagasy teo amin’ity sokajy ity, tamin’ny alalan-dRakotondrazaka Tsanta, kata lehilahy, i Francio Moha­med, Kumite latsaky ny 55 kg, lehilahy, ary Ravelonarivo Andhy, Kumite latsaky ny 53 kg, vehivavy. Fahombiazana 100 isan-jato, araka izany, no azon’ny Malagasy mpikatroka teo amin’ny sokajy Juniors satria nahazo medaly avokoa izy 3 mianadahy nifaninana ny sabotsy lasa teo.
Ankoatra ny sokajy Ju­niors, niditra an-tsehatra tamin’io sabotsy io ihany koa ny Malagasy mpikatroka mianadahy, sokajy Seniors, teo amin’ny Kata. Tsy nahamenatra ny vokatra satria na tsy nahazo medaly aza dia teo amin’ny laharana faha-5 avy no nisy an-dRazafindrakoto Mirantsoa sy Rabemanantsoa Fabio Lee. Resy amin’ny fiadian-toerana faha-3 ihany koa, Andrianavalona Tsiky Mialy, Kumité latsaky ny 55 kg, rehefa nifanandrina tamin’ny teratany Alzeriana, ka tafapetraka eo amin’ny laharana faha-5. Resy toraka izany koa, Rako­tobe Billy, Kumité latsaky ny 67 kg lehilahy. Laharana faha-9 kosa no misy an-dRakotobe Fenosoa teo amin’ny Kumité latsaky ny 50kg, vehivavy, ary tsy mbola na­nomboka ny ady ho an’ny solontena malagasy sokajy latsaky ny 84 kg tamin’ny fotoana nanoratana.

Nahazo “qualification con­tinentale” Rantsoramanana Tanjona
Fandaharam-potoana lehibe natrehan’ny Federa­sio­nin’ny Karate-do Malagasy tany Nizeria ihany koa, ny fiofanana ho an’ny mpanazatra ka nanana solontena tamin’izany i Madagasikara. Naha­vita antsakany sy andavany ny fiofanana, ny mpanazatra Rantsoramanana Tanjona ka nahazo ny “qualification continentale”. Tsiahivina, notontosaina ny alarobia 24 jolay ihany koa ny fifidianana izay hitantana ny UFAK (Union of Fédération African Karate) ary nandray anjara mavitrika ny filohan’ny FKM, Ratefina­naha­ry Émile.

Nanatontosa :
Miarintsoa.Raz

Partager sur: