FANTINA sy FINTINA

Ho vehivavy ny governoran’ny faritra Amba­tosoa, izay faritra faha-24. Afaka fotoana fohy no hanendrena an’izay governora izay, araka ny fampanantenan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fidinana ifotony tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Efa eo an-tanany ny mombamomba ireo vehivavy telo kandidà amin’izany.

Vita fianianana teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Antsohihy, faritra Sofia, ny faran’ ny herinandro teo, ny mpitsabo miisa sivy. Ny amin’ny sakafo ara-pahasalamana sy lavitry ny mety ho fahapoizinana ara-tsakafo no iandreketan’izy ireo, izay anisan’ny mpiandraikitra fikarohana fandikan-dalàna (OPJ) eo amin’ny sehatry ny sakafo eo anivon’ny faritra.

Vita tamin’ny faran’ny herinandro, tao Antampo­ni­vinany, ny famindram-pahefana amin’ny fitantanana ny distrikan’Ambositra, faritra Matsiatra Ambony. Fifandimbiasana teo amin’ny prefet teo aloha Rakotomalala Richard, izay soloin’ny prefet vaovao Razazaroanabavy Felaniriana Hortencia, araka ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra ta­min’ny 2 jolay.

Partager sur: