Hotanterahina eny Ambatolampy Tsimahafotsy, ny 9-10 aogositra ho avy izao, ny fifaninanana baolina kitra andiany voalohany amin’ny “Tournoi Solidaire”. Hetsika ara-panatanjahantena iray miavaka izy ity, araka ny nambaran’Andriasiharilala Finoantsoa Nomena Fitahiana, filoha mpikarakara ny fifaninanana. Ankoatra ny fanatanjahantena, hisy koa ny asa sosialy izay hatao. Misongadina amin’izany ny fanohanana ireo ankizy monina eny amin’ny akany. « Tsy fanatanjahantena fotsiny fa asa sosialy ihany koa no hifampitondran’ity fifaninanana ity. Tanjona mazava no hapetraky ny mpikarakara: hampiroborobo ny fanatanjahantena sy hanome fanampiana ho an’ireo zaza sahirana amin’ny alalan’ny fitafy sy fitaovana ilain’izy ireo andavanandro», hoy ny mpikarakara ny fifaninanana.
Ankoatra izay, noferana ho valo ireo sekolin’ny baolina kitra handray anjara amin’ity andiany voalohany ity. Anisan’izany ny EFMA, H Plus, In Soccer, 67 City FC, JSEM Les Elites, EFT, AFA Analakely ary ny Jet Mada. Anisan’ireo akany hahazo tombontsoa amin’ity ny Aina enfance et avenir, Avoko Faravohitra ary ny Masohafa. Natokana ho an’ny sokajy telo: U9, U11, ary U13 izany. Tsara ny mampahafantatra fa miara-misalahy amin’ ny fanatontosana izany fifanintsanana izany ny Jolie Fizz, ary efa nanolotra akanjo ho an’ireo akany mpitaiza zaza.
Fitia Randria




