Miezaka ny manao fanomanantena ao anatin’ny fahanginana tanteraka ny Elgeco Plus. Raha tsy misy ny fiovana farany, mety hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipa voafantin’i Fianarantsoa, ny Elgeco Plus, izay nanao pao-droa tamin’ity taona ity.
Araka ny siosion-dresaka mandeha sy ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Elgeco Plus FC, omaly, mety hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipa voafantin’i Fianarantsoa, ry zareo mialoha ny fiatrehana ity fifanintsanana afrikanina, LDC Caf, ity. Tsiahivina fa efa ao anatin’ny fanomanana sahady ry zareo amin’izao fotoana izao.
Manana tanjona ny handeha lavitra amin’ny fifaninanana afrikanina, “Ligue des Champions Caf” (LDC Caf), ny Elgeco Plus de Madagascar. Nohamafisin’ity mpampita vaovao, eo anivon’ny klioba ity, fa mety haka mpilalao avy any ivelany indray ny Elgeco Plus mba ho fanamafisana ny ekipan’izy ireo amin’ny fifanintsanana afrikanina.
Marihina fa sambany vao hiatrika ny LDC Caf, ny Elgeco Plus, raha tany amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ireo klioba hatrany no nifanintsanan’izy ireo teo aloha. Tsara ny mampahatsiahy fa misy an’i Ismail, mpilalao kameroney, milalao ao amin’ ny Elgeco. Mety hisy vahiny tahaka azy ihany koa, araka izany, aoriana kely raha tsy misy ny fiovana farany.
Baraingo ihany ny resaka kianja
Ankoatra izay, mbola baraingo hatrany ny resaka kianja mety handraisan’ny Elgeco Plus ity fifanintsanana afrikanina ity. Ahina ho any ivelany tahaka ny tamin’ny taona lasa izany. Hampiantrano ny fihaonan’izy ireo ny Elgeco Plus. Tsiahivina fa tsy manana kianja ankatoavin’ny Caf i Madagasikara hatramin’izao. Raha mbola mitohy ny zava-misy tahaka izany, voatery any ivelany no hatao ny lalaon’ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga, izay solontenan’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf.
Fitia Randria




