“Ao anatin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny vondrona Sadc, misy ny fanamafisana ny tombontsoa efa azontsika amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa, izay miompana amin’ny lafiny angovo sy ny toekarena manga”.
Fanazavana nentin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny amin’izay mety ho tombontsoa azo amin’izao fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Sadc izao. Eo koa ny momba ny lalana sy ny fotodrafitrasa mbamin’ireo laharam-pahamehan’ireo firenena mpikambana. Laharam-pahamehan’i Madagasikara ao anatin’izay fe-potoam-piasany izay ny hahazoana miaro ny tombontsoan’ireo firenena misy toa an’i Madagasikara eo anivon’ny Sadc. Fotoana tsara amin’ny fihaonana an-tampony ny fanaovana sonia ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny varotra, ohatra.
Mampivondrona ny filoha teo aloha sy ny filoha am-perinasa ary ny filoha vao miditra na vaovao kosa ny Troïka. Ny Troïkan’ny Sadc teo aloha, ny filohan’i Angola, i João Lourenço, izany. Eo koa ny filohan’i Zimbabwe, i Emmerson Mnangagwa, izay mitantana ny Sadc ankehitriny, ary ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Rajoelina Andry, hitantana ny Sadc hanomboka amin’ny 17 aogositra ho avy izao. Misy koa ny Troïkan’ny rafitra fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fiarovana sy ny fandriampahalemana, misahana manokana ireo lafiny voalaza ireo eo anivon’ny faritra, toy ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahalemana eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU) izany.
R. Nd.




