Ho an’ny tombontsoam-pirenena : Nesorina ny minisitra Ramonjavelo Valery

48 ora taorian’ny nipoahan’ny raharaha fandefasana fiaramanidina tany Iran, nesorina ny minisitra Ramonjavelo Valery, niandraikitra ny fitaterana. Tsy nahaaro azy ny filazana fa voafitaka ny fanjakana malagasy.

Efa nampoizina ! Neso­rin’ny filohan’ny Repo­blika, Rajoelina Andry, sy ny Praiminisitra tamin’ny toerany ny minisitry ny Fitate­rana sy ny famantarana ny toetry ny andro, Ramonjavelo Valery, halina. Ny lehiben’ny governemanta no mitazona ny andraikitra mpisolo toerana, mandra-pahatongan’ny fanendrena izay ho tompon-toerana.
Tsiahivina fa ilay raharaha mahakasika fampidirana fiaramanidina tamin’ny kaompaniam-pitanterana iranianina, ka nitondra ny laharana sy famantarana an’i Madagasi­kara, no nanalana azy. Fanapahan-kevitra izay noraisiny manokana, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika.

“Tsy nampahafantarina ny fanapahan-kevitra mahakasika io fanomezan-dalana io ny Filohan’ny repoblika sy ny Praiminisitra”, hoy ny fanambarana. Nanamafy, araka izany, ny lehibeny, araka ny rafitra an-tanan-tohatra fa fanimbazimbana ny fiandrianam-pirenena ity toe-javamisy ity. “Tsy hijerena finamanana ny raharaham-panjakana. Ny tombontsoa ambonin’ny firenena no mibaiko anay. Tsy azo ekena ny fanaovana rano dikain’ny zinga satria firenena manana ny rafi-pitantanana i Madagasikara. Mazava ho azy fa tsy fanapahan-kevitra politika no noraisina fa fanajana ny rafitra repoblikanina”, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Simba!
Tsiahivina fa teny amin’ny tambajotran-tserasera no na­m­pirefotra ity raharaha iray ity. Toe-javatra mety hanimba ny diplaomasia malagasy, izay efa mba nisongadina tao anatin’ny fotoana maharitraritra. Iaraha-mahalala rahateo ny jeopolitika maneran-tany amin’ny firenen-dehibe izay miara-miasa amin’i Mada­ga­si­kara sy ny firenena iranianina. Marihina fa efa misy ny fehinkevitra iraisam-pirenena mandrara ny fanomezana sy fanampiana ity firenena islamika ity.
Andrasana ny ho fivoaran’ny toe-draharaha, saingy ny lehiben’ny mpanatanteraka mirahalahy aloha izany efa manadio ny tokotany sy ny lalan-kivoahana.

Riana Raymond

Partager sur: