FANTINA sy FINTINA

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, ny filoha mpanorina ny Fiangonana Apokalypsy eto Madagasikara, pasitera Mailhol, araka ny fampitam-baovao omaly. Voaresaka ny fampianaran’ny fiangonana ireo voafonja eny Antanimora, Manjakandriana, ny fonjaben’i Tsiafahy ary Imerintsiatosika.

Tokony ho saro-piaro amin’ny fananana iombonana ny vahoaka ifotony, araka ny nambaran’ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Irmar, tao Ste-Marie, Analanjirofo, Imbiki Herilaza, omaly. Manoloana ny fisian’ny vahiny nanimba ny lalana vao notokanana izany. Tsy ho an’ny fitondram-panjakana no nanaovana lalana fa ho an’ny vahoaka malagasy.

Vita sonia teny amin’ny Lapan’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra (CUA), Analakely, omaly, ny fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Fikambanana iraisam-pirenena frankofonia (OIF) amin’ny fanomezana sora-piankohonana. Taona 2022-2024, nahatratra 12 000 isan-taona no nahazo izany. Ho avo roa heny izany amin’izao taona 2025-2026 izao: 24 000 isa.

Partager sur: