Echecs-« Elo FIDE »: Fahombiazana tanteraka

Fahombiazana ny fifaninanana « Elo Fide », taranja Echecs, notanterahina teny amin’ny Orange Digital Cen­ter, ny faran’ny herinandro teo. Tafakatra 132 ny mpifaninana nandray anjara nandritra izany. Nahitana klioba 19: ny MCG, CCT, KOM, CEA, FRR, CGM, CEJCA, QCM, IKM, Élite Bongolava, Doka Chess, Ankatsuki, La Vallée Chess Club, ACC, Mahats’art, Pion Passé, Joker, Anketa Toliara, Cemi, manerana ny Nosy. Anisan’ny nahatonga solontena ny avy any Bongolava sy Toliara ary nandray anjara mavitrika. Nahazo ny laharana voalohany teo amin’ny sokajy -1800 elo Rabarivelo Danny avy amin’ny klioban’ny Anketa Toliara. Eo amin’izay vokatra izay hatrany, Andriamasoan­dro Miora Ismael no nibata ny fandresena teo amin’ny sokajy +1800 elo.
Nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny taranja Echecs fa fanararaotra hahafahan’ny mpilalao mampitombo ny “elo” ity fifaninanana ity. Natao indrindra koa hakana traikefa amin’ny samy mpifanandrina satria tazana ao avokoa ireo mpisehatra eo amin’ny taranja kalaza manerana ny Nosy. Ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara indray no fandaharam-potoana manaraka ho an’ny FMJE, izay hatao ny 13 sy 14 aogositra izao.

Mi.Raz

Vokatra
+1800 :
1- Andriamasoandro Miora Ismael, La Vallee Chess Club

-1800 :
1- Rabarivelo Danny, Anketa Toliara
Mp « Jeune »: Korea Arihaja Sacha, MCG
Mp vavy : Ranorosoa Irina Omega, ACC

-1600 :
1- Randriambololona Anthony, CEA
Mp vavy: Rabenandrasana Norotiana Fararindra, MCG
Mp « Jeune »: Ranaivomanana Erwan, CGM
Zandriny Indrindra: Andriamanjato Yohann, CEA

Partager sur: