Aferam-piaramanidina any Iran : Tsy nahalala ny lehiben’ny fahefana mpanatanteraka

“Tiako ny manamarika fa ny filohan’ny Repoblika sy ny tenako dia tsy mahalala ny zava-misy”, hoy ny fanaza­van’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny Anosy, omaly, taorian’ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro teo aloha, Ramonjavelo Valéry. Tsy inona izay zava-misy izay fa ny amin’ny fanomezana laharana malagasy 5R ny fiaraminidina Boeing 777 miisa dimy lasa any Iran, izay mahasaringotra ny firenena malagasy. Efa mandeha ny dingana mankamin’ny hoe: iza avokoa ny voasaringotra amin’ny raharaha? Misy ireo olona efa fantatra izay anaovana fikarohana. Tsy izay ihany no tokony hanaovana fikarohana, fa mety misy rantsamangaika any. Misy ny olon-dratsy sy mpamitaka mahatonga an’ izao raharaha izao. Izay fitaka izay no anaovana fanadihadiana maro. Mangarahara ny fanjakana malagasy ao ana­tin’izay, mangataka fanampiana any ivelany. Satria misandrahaka amin’ny firenena maro ny raharaha. Eo ny FBI sy ny OACI amin’ny Ameri­kanina mba hahazoana manao ny fanadihadiana rehetra. Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ny Interpol. Mba tsy hisian’ny zavatra toy izao intsony eto amin’ny firenena. Olona voafantina ny olona mifandray amintsika amin’ny fampandrosoana eto Mada­gasikara. “Tsy ekena raha ny firenena malagasy no ampiasain’ny olona amin’ny tambajotra ratsy”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: