Ramamimampionona G. : “Mba hisy vokany ny Sadc”

“Ilaina ny jery todika sy fanitsiana politika mba hifanaraka amin’izay tombontsoa azo ny zavatra ataontsika. Hisian’ny vokany mivantana any amin’ny fiainam-bahoaka ny fivoriana toy izao”. Io ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, manoloana ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. I Madagasikara no hitantana, inona no ho azo hararaotina mba ho akaiky vilany feno menaka fa tsy arina, sanatria? Tsy hijanona amin’ny diplaomasia sy politika ary mpandraharaha vitsivitsy ihany izany, fa ny fiainam-bahoaka no to­kony hahazo vokany. Famo­karana izao, fanodinana iza­tsy… Dia mba manana vokatra ampy sy manara-penitra i Madagasikara. Ao anatin’ny herintaona, mba hisy fisandratana marina. Ho hay ny manararaotra ny fitantanana ny Sadc.
Mahasarotiny ny Sadc ny lafiny toekarena, fitantanana, demokrasia… Ahoana, ohatra, no tena iainantsika ny demokrasia, fangaraharana, tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka… ?

R. Nd.

Partager sur: