Tsy ampy fangaraharana  

Nanaitra toa vara-datsaka ny vaovao tato ho ato mahakasika ny mpitondra. Teo ny mahakasika ny maha tomponandraikitry ny raharaham-panjakana azy ireo. Misy kosa ny fiainan’izy ireny manokana. Zary niteraka resabe, manaratsy endrika ilay fitondrana avokoa izany. Lasibatra manokana noho ny adalan’ny sasany ilay Filohan’ny Repoblika.
Tsy vao sambany no nisy ny toe-javatra tahaka izao. Mivaralila ilay fiainan-dRamalagasy. Tsy ny madinika ihany fa hatramin’ny henjana any an-tampony rehetra any. Lo sy mantsimantsin-draha tsy manjary ny zava-miseho ka ilana fitandremana lalina. Tsy ny anio na ny omaly ihany fa ny fanitsiana ny lalan-kombana amin’ny hoavy rehetra.
Mihazakazaka sy mivadika ambony ambany ny zava-mitranga. Zary tsy hita be ihany tokoa ny ifaharana. Ireo natao hanirina indray ireto no mampivandravandra. Mi­vadika ho nofy ratsy sy mpitari-bato vilam-bava izay natao ho fitaratra sy filamatra. Mahamenatra sy mampanongo tena.
Azo sorohana sy hialana anefa ny zava-miseho. Fositra mila hialana, mahatonga ity tranga vandambandana rehetra ity ny fomba fiasa hafahafa eny anivon’ny asam-panjakana.
Inona no tian-kambara? Fomba fiasa mahitsy sy anaty mangarahara ihany no vahaolana. Hialana ity fitiavana vola sy voninahitra diso tafahoatra ity. Zary baikoin’ilay filana maha olombelona daholo, hany ka manadino fa misy fenitra tokony ho arahina. Antoka ho amin’ny fahatsarana sy fahombiazana nefa ny fialana amin’ny tahaka izany.
Hamehezana azy, tsy azon’iza na iza atao tsinontsinona ny fikajiana toy ny anakandriamaso ny soatoavina, indrindra amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana.

r.r

Partager sur: