Lalaon’ny CJSOI : Notoloran’ny filoha fitaovana ny atleta

Notoloran’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), izay tarihin’ny minisitra Moustapha Abdulah Marson, fitaovana ireo atleta sy teknisianina malagasy miisa 119 handray anjara amin’ny CJSOI, omaly, tetsy Mahama­si­na. Fifaninanana izay hotanterahina any Seychelles, ny 1 hatramin’ny 10 aogositra ho avy izao. Fanohanana 100 % avy amin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry ireo.
Ankoatra ny akanjo, mbola notoloran’ny fanjakana vatsin-dalana ihany koa ny Malagasy atleta. Tsara ny mampahafantatra fa taranja miisa sivy no hifaninanan’ny Malagasy any amin’ity Nosy rahavavy ity, mandritra ny 10 andro. Anisan’ izany ny atletisma, ny badminton, ny basikety 5×5, ny baolina kitra, ny judo, ny fibatana fonjamby, ny lomano, ny volley ary ny resaka ho an’ny tanora “volet jeunesse”.
Araka ny vaovao voaray, hanainga anio, ho any Seychel­les, ireo andiany voalohany amin’ny delegasionina malagasy. Tsiahivina fa nanohana zato isan-jato ireto Malagasy atleta ireto ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Ampahafantarina ihany fa nosy fito no handray anjara amin’ity CJSOI andiany faha-13 ity. Ahitana an’i Madagasikara, Seychelles, mpampiantrano, Djibouti, Comores, Maurice, Mayotte ary La Réu­nion.

Fitia Randria

Partager sur: