Karate-« Afrika 2026 »: Voafidy handray ny fifaninanana i Madagasikara

Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina mala­gasy eo amin’ny taranja Kara­te, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Cadet, Junior ary Senior, na­tao tany Nizeria, ny herinandro lasa teo. Ankoatra ny me­daly alimo 5 azon’ireo atleta malagasy, vaovao lehibe maro ihany koa no nentin’ny Federasionin’ny karate-do ma­lagasy avy any Nize­ria. Goavana indrindra amin’izany ny nahavoafidy an’i Mada­gasi­kara ho firenena handray ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny taona 2026. Firenena 4 no nosafidianana ka i Madagasikara no voafidy. Ankoatra izay, vaovao lehibe nambaran’ny filohan’ny FKM omaly ihany koa, ny fahatongavan’ny filohan’ny Federa­sionin’ ny Karate-do iraisam-pirenena eto Madagasikara, mandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika “Zone Est”, hatao ny 16 hatramin’ny 21 desambra izao.
Hanao « Mondial »

Tsiahivina, medaly alimo 5 no azon’ny atleta malagasy tamin’iny fiadiana ny tompondakan’i Afrika iny, teo amin’ny sokajy Cadet sy Junior. Naha­zo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka ma­ne­ran-tany izy 5 mianadahy ireo taorian’izay ary afaka mandray anjara amin’ny lalao afrikanina ho an’ny tanora, amin’ny volana desambra izao ihany koa. Ho an’ny sokajy Senior kosa, na­ha­zo ny tapakila hiatrehana ny dingana fifanintsanana ho amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany amin’ny volana desambra izy ireo. Marihina fa laharana faha-19 amin’ny firenena 34 i Mada­gasikara, ary nohamafisin’ny filohan’ny FKM fa mahafaly ny vokatra na tsy nahafa-po tanteraka aza. Tsy mitsanga-menatra i Madagasi­kara.

Mi.Raz

Partager sur: