Mahabe resaka sy adihevitra ny “Raharaha Boeing 777”. Tsy hanaiky ny hanaovana sorona ny vahoaka malagasy amin’ny alalan’ny fanapahan-kevitry ny tomponandraikitra ny fitondram-panjakana.
Nampahatsiahy ny filohan’ny Repoblika fa tsy hanaiky ny hanaovana sorona ny vahoaka malagasy amin’ny alalan’ny fanapahan-kevitry ny tomponandraikitra, araka ny tatitry ny fitaleavan’ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika Iavoloha, omaly. Mby ao an-tsaina ny “Raharaha Boeing 777” dimy hita any Iran. Nohamafisiny fa manana adidy lehibe amin’ny vahoaka malagasy ny mpitondra, anisan’izany ny minisitra mandrafitra ny governemanta. Miantso fiheverana lalina sy fepetra hentitra amin’ny famoahana fanapahan-kevitra izy, indrindra ireo mety hanimba ny tombontsoam-pirenena na hampietry ny fiandrianam-pirenena. Ny fahendrena sy ny fitsinjovana ny soa iombonana no tokony hanjaka amin’ny fandraisana andraikitra. Tsy tokony hisy firaisankina amin’ny tsy fahamarinana.
Nanamafy ny Praiminisitra Ntsay Christian fa ilaina ny fahitsiana sy ny fahaiza-miatrika andraikitra amin’ny fitantanana. Nanao sonia fitsipi-pitondrantena avokoa ny minisitra rehetra, ka tsy tokony hanetsika na hampiditra an’i Madagasikara amin’ny zava-manahirana na amin’ny sehatra anatiny na iraisam-pirenena.
Ny amin’izay “Raharaha Boeing 777” izay ihany, mankasitraka, tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera an’ireo mpitandro filaminana eo anivon’ny Polisim-pirenena misahana ny heloka bevava, ny filoha Rajoelina Andry. Noho ny fahombiazana tamin’ny fisamborana ireo olona roa nokarohina momba io raharaha io. Tsy azo ekena ny fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanalam-baraka an’i Madagasikara. Manamafy hatrany ny finiavany hiady andro aman’alina ho an’ny firenena izy, ary tsy hanaiky ny ataon’ireo mikasa hanala baraka na hanohintohina ny hasin’ny firenena.
R. Nd.




