Navoaka, rehefa voatazon’ny zandary tao Toliara sy niakatra fampanoavana, Rabevahiny Elia, avy amin’ny Otrikafo sy ny namany miisa 5 amin’ny fikambanana Mazoto. Hiakatra fitsarana ny 12 aogositra ny raharaha. Anisan’ny vesatra iampangana azy ireo ny fanoherana ny fanjakana sy ny tetikasa Base Toliara.
Nanolotra ordinatera sy kojakoja ary “connexion” maimaimpoana miaraka aminy handraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc ny orinasam-pifandraisana Yas. Natao tetsy Mahamasina, omaly, ny fanolorana izany. Nandray izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika.
Nahitsy ny filoha nasionalin’ny antoko MMM, Andrianainarivelo Hajo, fa tsy mahalala ny zava-misy eto amin’ny firenena ny filoha sy ny praiminisitra. “Na fiara vidiana anaty minisitera aza mangataka fankatoavana amin’izy ireo, mainka fa fiaramanidina dimy tsy ho fantatra… Maro ireo tomponandraikitra tokony hiala ka anisany ny praiminisitra”, hoy izy.




