Fisorohana ny kolikoly sy hosoka : Efa niomerika ny tolotra ho an’ny fananantany

Nambaran’ny tale jeneralin’ny fananantany, Razafindra­tsimba Vonjy, tetsy Anosy, omaly, fa efa tsy afa-miala amin’ny niomerika amin’ireo antontan-kevitra momba ny fa­nanantany sy ny vaovao momba izany ny fitondram-panjakana ary efa miroso any amin’ny “Digitalisation”. “Efa misitraka izany Antananarivo amin’ny fanomezana anaty mi­nitra vitsy ny Titre sy ny ka­dasitra ary ny Plan fa tsy mi­andry andro maromaro intsony”, hoy izy. Efa miasa tahaka izany koa ireo sampandraharahan’ny fananantany ary ma­namora izany koa ny Birao so­lontenan’ny fananantany iraisana (BSFI), ma­nakaiky ny va­hoaka, araka ny nambarany. “Mikarakara ny fanomezana Titre sy karatany izany hiarovana ny fananantany sy hamerenana ny tany amin’ny Malagasy any amin’ireo toerana lavitra”, hoy izy. Nohitsiny fa anisan’ny hiadiana amin’ny hosoka sy ny tsy ara-dalàna ary koa ny kolikoly ny fanaovana ho niomerika miaraka amin’ny teknolojia ny sehatry ny fananantany. “Tsy misy mi­afina ary mangarahara tanteraka izany, ankoatra ny fandraisana ny fitarainana mom­ba ny olan’ny fananantany”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa niatrika ny fa­nokafana ny fampahafantarana momba ny fananantany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Lohahevitra ny: «Se­hatry ny fananantany amin’ny vanim-potoanan’ny niomerika». Na­namarika izany ny fi­safidianana ny lohahevitra mi­fandraika amin’ny filan’ny toerana hanatanterahana ny he­tsika tahaka izao. Hatao ma­na­kaiky va­hoaka, tahaka ny tsena izany fa tsy voatery any amin’ny biraon’ny fananantany sy ny fandrefesantany ihany. Ham­pifanarahana amin’ny fotoana mety amin’ny va­hoaka koa ny fanatanterahana ny varavarana misokatra tahaka izao.

Synèse R.

Partager sur: